RAZAFINDRATSIMA LAB
  • Home
  • Research
    • Research Overview
    • Frugivory, Movement and Seed Dispersal
    • Ecological changes
    • Conservation & Management
  • Publications
    • Opinion pieces & Editorial articles
    • Scientific Articles
    • Published data
  • People
    • PI Razafindratsima
    • Postdocs & Students >
      • @ Cal
      • Affiliates
    • Past lab members & visitors
    • Field teams
  • Field updates
  • Outreach
  • Join Us
    • Call for applications MS
  • Useful Links
    • Fellowship resources
    • Research in Madagascar
  • Group news
  • Adventures
  • Affiliates

Field note #2

3/5/2021

 
Nancia Raoelinjanakolona, a PhD student at the University of Antananarivo, affiliated with the lab, shares a story of how she got lost in the forest during fieldwork watching animals at night. 
Picture
“Batain-tsy zaka, afindra mora foana tahaka ny lalana”, io ohabolana io no mamintina ny tranga niainanay tamin’ny very tanaty ala.​ ​Misy fomba fiteny iray koa hoe ny lalana rehetra dia mitondra mankany Roma avokoa. Kanefa rehefa very iny dia misy tahotra kely foana hoe sao tsy ho tonga amin’ny toerana tiana aleha. ​
PictureNancia sy Michel
Mpianatra mpikaroka momba ny fifandraisan’ny biby mpihinam-boankazo (varika sy vorona) sy ny karazan-kazo ohaniny anaty ala aho ary miara-miasa amin’ny tekinisianina efatra avy eny ifotony any amin'ny ala akaikin'ny renirano Ihofa any amin'ny ala antsinanana, akaikin'ny faritra arovana Mantadia. Miambina hazo (mipetraka ka mijery ireo biby mitsidika sy mihinana voa) isan-karazany izahay mba hamaritana ny toetra sy ny tanjak’io fifandraisana misy eo amin’ny biby sy ny hazo io. 

Inona ary ny tranga nahazo anay?

PictureMonkaranana voaniny
​Niasa alina izahay nanara-maso izay biby mety ihinana voa eo amin’ny hazo iray atao hoe Monkaranana. Tamin’ny 10 ora alina no tapitra ny fanaovana an’io fanaraha-maso io ka nanainga nody izaho sy i Michel (teknisianina). Diso fiviliana izahay nony niverina ka tsy tafaverina tamin’ilay lalana tamin’ny nandroso intsony. Ny alina anefa tamin’izay maizim-bolana, izahay tsy nitondra gps satria nentin’ny mpiara-miasa hafa, efa nihena ihany koa ny hazavan’ny jiro teny amin’ny loha. Rehefa nandeha nizotra ihany dia hita fa niha-nanalavitra ny lalam-be izahay. 

Inona no zavatra nataonay?

PictureAla any Ihofa
​Teny an-dalana dia niady hevitra hoe taiza no tokony nivily ary aiza no haleha. Rehefa trangan-javatra tahaka an’izao moa dia mametraka fitokisana amin’ny olona eny ifotony no atao satria izy ireny no mahalala ny marivo ilomanosana hoy ny fiteny Malagasy. Nijery ny fizotry ny lalan’ny rano dia iny no narahina hoe mitondra midina sa miakatra. Nanaraka ny lalan’ny rano nidina izahay avy teo ary namakivaky niakatra tamina ala kitroka (tao anaty lohasaha no nahavery) ka natao izay nahatongavana tamina toerana nahitana marika iray. Ka tazana avy teny ambany ny lalam-be mahazatra. 

Inona no zavatra nahazo anay?

​Niaka-piakarana dia namakivaky kirihatra ana tsilo izahay ka nisy kiaka sy naratra ny tanana. 

Inona no zavatra tsapa?

Picture
​Rehefa ilay nihodikodina nitady lalana mazava iny dia nisy tahotra tao anaty hoe sao tsy tafavoaka eto ary kanefa ny andro efa miha alina be. Tamin’ity fotoana ity moa no nahavery ahy voalohany tanaty ala izany nandritra izay taona maromaro nanaovana fikarohana izay. Adin’iray teo izahay vao tafavoaka tao anaty lohasaha tao. 

Ahoana hoy ny ekipa nahalala izany?

PictureTeknisianina miara-miasa amin'i Nancia
​Notantarainy tamin’ny ekipa iray manontolo ny zava-niseho ny maraina ka gaga ry zareo hoe toerana efa nandalovana ve dia nahavery anay. Asa, izay tokoa angamba ilay atao hoe tratry ny tamberin-tany!?

Nahazo anarana hoe sampanan’i Nancia sy Michel ilay kirihitra ana tsilo nivoahanay nony taty aoriana ka fihomehezana foana rehefa mandalo eo. 

Inona no azo tsoahina tanatin’izay?

  • Raha mbola afaka mitondra gps dia mitondra gps foana rehefa mandeha anaty ala
  • Rehefa mitady very dia tsy tsara loatra ny miady hevitra amin’olona amin’ny lalana aleha fa hevitra iray ihany no arahina aloha
  • Aleo tsy miverin-dalana rehefa hita fa very fa mitady lalan-kafa
  • Mamonjy toerana misy rano mandeha (renirano) dia manaraka an’iny fa tsy maintsy mahita tanana foana manamorona renirano. 
Picture
Campement any Ihofa

​Lahatsoratra nosoratan'i Nancia Raoelinjanakolona. Sary tany amin'i Nancia sy Rindra Nantenaina.

    We're using this space to share updates on our adventures in the field.

    Archives

    December 2024
    May 2024
    March 2024
    November 2023
    October 2023
    August 2023
    September 2022
    May 2022
    April 2022
    July 2021
    June 2021
    March 2021
    February 2021

    Categories

    All
    Baobab
    Fieldwork
    FieldworkFail
    Ihofa
    Kianjavato
    Lemurs
    Madagascar
    Malagasy
    Marojejy
    Menabe
    Ranomafana
    Students

    RSS Feed

Proudly powered by Weebly
  • Home
  • Research
    • Research Overview
    • Frugivory, Movement and Seed Dispersal
    • Ecological changes
    • Conservation & Management
  • Publications
    • Opinion pieces & Editorial articles
    • Scientific Articles
    • Published data
  • People
    • PI Razafindratsima
    • Postdocs & Students >
      • @ Cal
      • Affiliates
    • Past lab members & visitors
    • Field teams
  • Field updates
  • Outreach
  • Join Us
    • Call for applications MS
  • Useful Links
    • Fellowship resources
    • Research in Madagascar
  • Group news
  • Adventures
  • Affiliates