Madagascar field updates summer 2023Text by Onja H. Razafindratsima This year, we decided to deploy a couple of GPS collars on the three large-bodied frugivorous lemur species in Ranomafana National Park to get a better sense of their movement patterns and activities. We worked with a team of experts in capturing and handling lemurs led by DVM Haja Rakotondrainibe. These GPS collars will allow us to investigate how lemur movement and foraging patterns change across seasons with varying fruit availability. I have been studying lemur ecology for more than a decade and this was the first that I got up close to my study species in their natural environment. It was exhilarating!
After spending quite some time in Ranomafana, I then joined my mentees in Ihofa, in the eastern part of Madagascar to check on their projects. I enjoyed very much the visit! Some pictures from the field can be found in this link.
Mpikaroka mankafy manao sakafo anaty alaRindra Nantenaina, a PhD student at the University of Antananarivo, affiliated with the lab, shares a story about how she loves cooking in the field ... Tiako ny misakafo fa mbola tiako kokoa ny miaina ny natiora any an’ala![]() Rindra no anarako, mpianatra mpikaroka, misehatra manokana amin'ny fifandraisan’ny zava-maniry sy ny biby mpamafy voa/vihy an’ala aho. Anisan'nyy fialam-boly tiako ny mandeha misakafo miaraka amin’ny namana rehefa mitoetra ao an-drenivohitra. Fa mbola tiako lavitra mihoatra an’izay anefa ny misitraka ny fitsokan’ny rivotra madio, ny mahita ireo zava-maitso isan-karazany ary ny maheno ny hiram-borona sy varika sy ny fikorianan’ny rano ao anaty ala. Nitsiry tany anatiko ny hevitra hanambatra ireo fialam-boliko roa ireo...
Teo no nitsiry tany anatiko ny hevitra hoe maninona tokoa moa raha ampisiana aty anaty ala aty izany karazan-tsakafo izany e!!! Sady mampiala voly rehefa tsy miasa iny, no manome fahafaham-po ny lela, ary mahavoky ny kibo. Angaha izay ihany, fa sady mizara fifaliana ho an’ireo mpiara-miasa any an-toerana ihany koa, satria vitsy amin’izy ireo no manana fahafahana hiakatra an-drenivohitra sy ho afaka ny hanandrana ny tsiron’ireo karazan-tsakafo ireo. Dia nanomboka nianatra nanao sakafo aho ... Ny olana anefa, raha izaho manokana tsy manana traikefa akory amin’ny fanaovana sakafo. Soa ihany fa amin’izao vanim-potoana izao, dia efa mivoatra be ny teknolojia, ka tsy ny asa fikarohana ara-tsiansa na ny toy izany ihany akory no afaka atao any anaty internet fa na ny fanaovan-tsakafo sy ny fikarakarana ao an-dakozia ihany koa, dia tena feno isan-karazany any. Arak’izany dia naka "recette" tamin'ny internet aho, toy ny fanamboarana mofo dipaina, mofo gasy, pizza, sandwich, crepe, cake, hamburger, beignet isan-karazany sns… Isaky ny miakatra miantsena any an-tanan-dehibe dia niezaka nanangona ireo singa rehetra ilaina amin’ny fanamboarana azy ireny aho. Matetika rehefa faran'ny herinandro, na amin’ny fotoana hafa tsy iasany, na rehefa haivariva avy miasa iny no manao sakafo izahay. Dia miezaka mamoaka "menu" iray isaky ny manao. Sady mianatra aho, arak’izany, no mampianatra ireo ekipa miaraka amiko ihany koa. Lasa fifaliana iombonanay ny fiarahana eo am-pikarakarana, maika moa fa rehefa injay vonona ny nahandro ka hiara-komana, dia tena samy finaritra avokoa ny rehetra e! Tsy hoe akory variana nanao sakafo izahay dia tsy vita ny fikarohana, fa tena nanampy anay hahatratra ny tanjona aza ny fiarahana. Ny kibo voky moa ny asa vita ara-dalana. Mampisy firaisam-po sy "ambiance" ary fahazotoana ao anaty asa ny fisian’ny fialam-boly tahaka an’izany. Lasa fialam-bolin’izy ireo koa ny fialam-boliko ... ![]() Tombony azoko tamin’izany ny fahaizako nampiaraka ireo fialam-boliko anakiroa ireo: misakafo miaraka amin’ny namana sy ny miaina tontolo maitso any anaty ala, no mbola niampy fahaiza- manao ody ambava-fo isan-karazany hanohananay aina nandritra ny terrain. Ho an’ny ekipako kosa indray dia sady nahafantatra no nanandrana zava-baovao (karazan-tsakafo sy ny fanamboarana azy) izy ireo, no voky sy niala voly niaraka tamiko nandritra ny fotoana izay nanaovako niasako tany. Tsy nijanona ho anay teo amin’ny campement samy irery akory izany traikefa sy fifaliana izany, fa nentin’ireo ekipa nody tany an-tranony avy koa, sady dia nazoto nanao fampiharana mihitsy ary ry zareo rehefa tonga any anivon’ny ankohonany. Hafatra manokana ho antsika mpikaroka
Lahatsoratra nosoratan'i Rindra Nantenaina. Sary nozarain'i Rindra ihany koa.
Nancia Raoelinjanakolona, a PhD student at the University of Antananarivo, affiliated with the lab, shares a story of how she got lost in the forest during fieldwork watching animals at night. “Batain-tsy zaka, afindra mora foana tahaka ny lalana”, io ohabolana io no mamintina ny tranga niainanay tamin’ny very tanaty ala. Misy fomba fiteny iray koa hoe ny lalana rehetra dia mitondra mankany Roma avokoa. Kanefa rehefa very iny dia misy tahotra kely foana hoe sao tsy ho tonga amin’ny toerana tiana aleha. ![]() Mpianatra mpikaroka momba ny fifandraisan’ny biby mpihinam-boankazo (varika sy vorona) sy ny karazan-kazo ohaniny anaty ala aho ary miara-miasa amin’ny tekinisianina efatra avy eny ifotony any amin'ny ala akaikin'ny renirano Ihofa any amin'ny ala antsinanana, akaikin'ny faritra arovana Mantadia. Miambina hazo (mipetraka ka mijery ireo biby mitsidika sy mihinana voa) isan-karazany izahay mba hamaritana ny toetra sy ny tanjak’io fifandraisana misy eo amin’ny biby sy ny hazo io. Inona ary ny tranga nahazo anay? ![]() Niasa alina izahay nanara-maso izay biby mety ihinana voa eo amin’ny hazo iray atao hoe Monkaranana. Tamin’ny 10 ora alina no tapitra ny fanaovana an’io fanaraha-maso io ka nanainga nody izaho sy i Michel (teknisianina). Diso fiviliana izahay nony niverina ka tsy tafaverina tamin’ilay lalana tamin’ny nandroso intsony. Ny alina anefa tamin’izay maizim-bolana, izahay tsy nitondra gps satria nentin’ny mpiara-miasa hafa, efa nihena ihany koa ny hazavan’ny jiro teny amin’ny loha. Rehefa nandeha nizotra ihany dia hita fa niha-nanalavitra ny lalam-be izahay. Inona no zavatra nataonay? ![]() Teny an-dalana dia niady hevitra hoe taiza no tokony nivily ary aiza no haleha. Rehefa trangan-javatra tahaka an’izao moa dia mametraka fitokisana amin’ny olona eny ifotony no atao satria izy ireny no mahalala ny marivo ilomanosana hoy ny fiteny Malagasy. Nijery ny fizotry ny lalan’ny rano dia iny no narahina hoe mitondra midina sa miakatra. Nanaraka ny lalan’ny rano nidina izahay avy teo ary namakivaky niakatra tamina ala kitroka (tao anaty lohasaha no nahavery) ka natao izay nahatongavana tamina toerana nahitana marika iray. Ka tazana avy teny ambany ny lalam-be mahazatra. Rehefa ilay nihodikodina nitady lalana mazava iny dia nisy tahotra tao anaty hoe sao tsy tafavoaka eto ary kanefa ny andro efa miha alina be. Tamin’ity fotoana ity moa no nahavery ahy voalohany tanaty ala izany nandritra izay taona maromaro nanaovana fikarohana izay. Adin’iray teo izahay vao tafavoaka tao anaty lohasaha tao. Ahoana hoy ny ekipa nahalala izany? ![]() Notantarainy tamin’ny ekipa iray manontolo ny zava-niseho ny maraina ka gaga ry zareo hoe toerana efa nandalovana ve dia nahavery anay. Asa, izay tokoa angamba ilay atao hoe tratry ny tamberin-tany!? Nahazo anarana hoe sampanan’i Nancia sy Michel ilay kirihitra ana tsilo nivoahanay nony taty aoriana ka fihomehezana foana rehefa mandalo eo. Inona no azo tsoahina tanatin’izay?
Lahatsoratra nosoratan'i Nancia Raoelinjanakolona. Sary tany amin'i Nancia sy Rindra Nantenaina. |
We're using this space to share updates on our adventures in the field. Archives
December 2024
Categories
All
|