Mpikaroka mankafy manao sakafo anaty alaRindra Nantenaina, a PhD student at the University of Antananarivo, affiliated with the lab, shares a story about how she loves cooking in the field ... Tiako ny misakafo fa mbola tiako kokoa ny miaina ny natiora any an’alaRindra no anarako, mpianatra mpikaroka, misehatra manokana amin'ny fifandraisan’ny zava-maniry sy ny biby mpamafy voa/vihy an’ala aho. Anisan'nyy fialam-boly tiako ny mandeha misakafo miaraka amin’ny namana rehefa mitoetra ao an-drenivohitra. Fa mbola tiako lavitra mihoatra an’izay anefa ny misitraka ny fitsokan’ny rivotra madio, ny mahita ireo zava-maitso isan-karazany ary ny maheno ny hiram-borona sy varika sy ny fikorianan’ny rano ao anaty ala. Nitsiry tany anatiko ny hevitra hanambatra ireo fialam-boliko roa ireo...
Teo no nitsiry tany anatiko ny hevitra hoe maninona tokoa moa raha ampisiana aty anaty ala aty izany karazan-tsakafo izany e!!! Sady mampiala voly rehefa tsy miasa iny, no manome fahafaham-po ny lela, ary mahavoky ny kibo. Angaha izay ihany, fa sady mizara fifaliana ho an’ireo mpiara-miasa any an-toerana ihany koa, satria vitsy amin’izy ireo no manana fahafahana hiakatra an-drenivohitra sy ho afaka ny hanandrana ny tsiron’ireo karazan-tsakafo ireo. Dia nanomboka nianatra nanao sakafo aho ... Ny olana anefa, raha izaho manokana tsy manana traikefa akory amin’ny fanaovana sakafo. Soa ihany fa amin’izao vanim-potoana izao, dia efa mivoatra be ny teknolojia, ka tsy ny asa fikarohana ara-tsiansa na ny toy izany ihany akory no afaka atao any anaty internet fa na ny fanaovan-tsakafo sy ny fikarakarana ao an-dakozia ihany koa, dia tena feno isan-karazany any. Arak’izany dia naka "recette" tamin'ny internet aho, toy ny fanamboarana mofo dipaina, mofo gasy, pizza, sandwich, crepe, cake, hamburger, beignet isan-karazany sns… Isaky ny miakatra miantsena any an-tanan-dehibe dia niezaka nanangona ireo singa rehetra ilaina amin’ny fanamboarana azy ireny aho. Matetika rehefa faran'ny herinandro, na amin’ny fotoana hafa tsy iasany, na rehefa haivariva avy miasa iny no manao sakafo izahay. Dia miezaka mamoaka "menu" iray isaky ny manao. Sady mianatra aho, arak’izany, no mampianatra ireo ekipa miaraka amiko ihany koa. Lasa fifaliana iombonanay ny fiarahana eo am-pikarakarana, maika moa fa rehefa injay vonona ny nahandro ka hiara-komana, dia tena samy finaritra avokoa ny rehetra e! Tsy hoe akory variana nanao sakafo izahay dia tsy vita ny fikarohana, fa tena nanampy anay hahatratra ny tanjona aza ny fiarahana. Ny kibo voky moa ny asa vita ara-dalana. Mampisy firaisam-po sy "ambiance" ary fahazotoana ao anaty asa ny fisian’ny fialam-boly tahaka an’izany. Lasa fialam-bolin’izy ireo koa ny fialam-boliko ... Tombony azoko tamin’izany ny fahaizako nampiaraka ireo fialam-boliko anakiroa ireo: misakafo miaraka amin’ny namana sy ny miaina tontolo maitso any anaty ala, no mbola niampy fahaiza- manao ody ambava-fo isan-karazany hanohananay aina nandritra ny terrain. Ho an’ny ekipako kosa indray dia sady nahafantatra no nanandrana zava-baovao (karazan-tsakafo sy ny fanamboarana azy) izy ireo, no voky sy niala voly niaraka tamiko nandritra ny fotoana izay nanaovako niasako tany. Tsy nijanona ho anay teo amin’ny campement samy irery akory izany traikefa sy fifaliana izany, fa nentin’ireo ekipa nody tany an-tranony avy koa, sady dia nazoto nanao fampiharana mihitsy ary ry zareo rehefa tonga any anivon’ny ankohonany. Hafatra manokana ho antsika mpikaroka
Lahatsoratra nosoratan'i Rindra Nantenaina. Sary nozarain'i Rindra ihany koa.
Comments are closed.
|
We're using this space to share updates on our adventures in the field. Archives
May 2024
Categories
All
|